Nanakoako naneran-tany indray i Madagasikara, tamin’ny alalan’ny Barea. Tafita hiatrika ny manasa-dalana, hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra ho an’ireo mpilalao tsy matihanina “Chan 2022”. Voalohany eo amin’ny tantarany izany.
Dingana goavana, vokatra nisongadina ary tantara vaovao ny zava-bitan’ny Barea de Madagascar, teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika taranja baolina kitra ho an’ireo mpilalao tsy matihanina “Chan 2022”. Voalohany eo amin’ny tantarany, tafita hiatrika ny manasa-dalana amin’ity fifaninanana afrikanina ity isika. Resiny tamin’ny isa mazava, 3 no ho 1 ny Mambas avy ao Mozambique nandritra ny ampahefa-dalana, natao ny asabotsy lasa teo tao amin’ny kianja Mohamed Hamlaoui, tao Constantine.
Raha tsiahivina, efa nitarika tamin’ny isa, 3 no ho 0 ny malagasy vao nahatafiditra ny baolina tokana ho azy i Mozambique, tamin’ny alalan’ i Isac Carvalho tany amin’ny fanampim-potoana 90 + 4 mn. Nanokatra ny isa ho an’ny Barea, i Koloina teo amin’ny minitra faha-18, taorian’ny tolotra nataon’i Tantely kapiteny. Niezaka nanafika taorian’io ny Mambas saingy tsy nahavaky an-dry Dadafara sy i Berajo.
Nisesy ny baolina maty
Fizaram-potoana faharoa, nitohy hatrany ny tranokala nataon’ny Barea. Minitra faha-67 nampiditra ny baolina faharoa i Jean-Yves, izay mbola nampian’i Carlos, teo amin’ny minitra faha-87. Lavo tanteraka ny Mambas. Efa tsy niditra mafy intsony ny Barea fa nanodikodina baolina fotsiny sisa. Na izany aza, nisy ihany ny atandrevaka kely ka nahafatesan’i Isac Carvalho ny baolina tokana ho azy tany amin’ny fanampim-potoana 90 + 4 mn. Voahosotra ho mpilalao mendrika i Dax. Hidona amin’i Senegal, ny Barea rahampitso talata eo amin’ny manasa-dalana. Etsy an-kilany, lavon’i Niger, tamin’ny isa 2 no ho 0 kosa i Ghana.
Efa misy mikitika i Koloina
Anisan’ireo mpilalao misongadina ho an’ny Barea i Koloina (KR7), izay nahafaty baolina 3 hatreto. Manoloana izany, efa mitilitily azy ankehitriny ny Mouloudia Alger. Ankoatra izay, nandefa taratasy fiarahabana sy firariantsoa tany amin’ny filohan’ny Federasiona malagasy, noho ny fahombiazan’ny Barea, i Artur Silva, filohan’ ny Cosafa.
Tompondaka
HOY IZY IREO
-Rôrô (Mpanazatra Barea) : Tanjakay ny firaisankina sy firaisan-tsaina na ivelany na eny ambony kianja. Tsy misy fanalahidy manokana ary tsy manana mpilalao malaza fa samy manome ny fahaizany ny tsirairay. Hain’ireo mpilalao ihany koa ny nandray sy nampihatra ny zavatra nomena, nialoha ny lalao. Faly fa tafita saingy tsy mbola tratra ny tanjona fa hiezaka hatrany. Mifety aloha izao fa rahampitso alahady dia efa manao fanazarantena.
-Tantely (Kapiteny Barea) : Misaotra an’Andriamanitra fa nandresy ary dia faly. Mahafinaritra ny fifankatiavana sy ny fiarahana ato anaty “groupe”. Hanao ezaka hatrany handresy mba ho voninahitr’i Madagasikara.
-Dax (Mpilalao mendrika) : Tsy ho ahy irery ity amboara azoko ity, fa iarahanay rehetra manana.
Nangonin’i Fitia (Mpianatra asa)