Nifampiraharaha nandritra ny adin’iray ora sy sasany tamin’ny mpitandro filaminana nanoloana ny farihin’Anosy, voasakana hatrany, ny fikasan’ireo Gen Z hihazo an’Ambohijatovo, omaly.
Niafara tamin’ny tora-bato, fandoroana kodiarana sy hikiaka nataon’ireo tanora mpitolona ny hetsika Gen Z teny Antanimbarinandriana sy Anosy, omaly. Nifampitaona teny an-toerana ireo mpanao fihetsiketsehana. Niatrana tsikelikely teo Antanimbarinadriana izy ireo, nanomboka tamin’ny 11 ora sy sasany. Nivondrona ireo mpanao fihetsiketsehana ka nanampaka ny lalana mampitohy an’Anosy sy Mahamasina, nanomboka tamin’ ny 1 ora sy sasany. Niverin-dalana avokoa vokatr’izany ireo taxi-be sy fiara an’olon-tsotra. Nilanja sorabaventy, naneho ny tsy fankasitrahany an’i Frantsa eto Madagasikara ireo tanora ireo. Nangataka hitsaharan’ny herisetra sy ny vono an-kolaka atao amin’ireo mpiray tanindrazana aminy kosa ny mpitolona sasany. Nangataka alalana tamin’ny tomponandraikitry ny filaminana niatrana teny an-kianja mba hahafahany mihazo an’ Ambohijatovo ireo mpanao fihetsiketsehana ireo. Tetsy ankilany, nifampiraharaha am-pilaminana ny roa tonta ka nihemotra sy niverin-dalana ny ankamaroan’ireo mpitolona.
Nitora-bato
Nihamaro ireo mpanao fihetsiketsehana tonga teny Anosy, ny tolakandro tamin’ny 4 ora. Nosakanan’ny mpitandro filainana hatramin’ny farany ny fikasan’ireo mpitolona. Naharitra ora roa mahery ny nifampitazatazana tamin’ny mpitandro filaminana, nitora-bato tampoka ireo Gen Z, tamin’ny 4 ora sy 20 minitra. Nanao tari-dositra niverina nihazo an’i Mahamasina sy Ampefiloha avokoa ireo mpitokona ireo. Olona efatra naratra taorian’ny fipoahana. Marihina, niantso fitoniana sy fampitsaharana ny fampiasan-kery ataon’ny zandarimaria ny kaomisera ambony miasa eo anivon’ny biraon’ny Firenena mikambana miaro ny zon’olombelona, Volker Türk, omaly. Raha tsiahivina, maro ireo horonantsary niparitaka tao anaty tambajotran-tserasera izay mirakitra vono sy daroka nataon’ny zandary nandritra ny hetsika Gen Z. “Tsy manaja ny zon’olombelona intsony ny ankamaroan’ireo fihetsika”, hoy ny mpanara-baovao. Anisan’izany, ilay vehivavy efa voasambotra kanefa mbola nodorana ny volony.
Tsiferana R.




