Imerintsiatosika : Zaza 6 taona maty voafaokan’ny fiara

Nifamonjen’ny nanatri-maso ny zazalahy 6 taona voafaokan’ny fiara Starex teny amin’ny lalam-pirenena voalohany, teo Bemasoandro, kaominina Imerintsiatosika, oma­ly. Nirava avy nianatra ka nandeha tamin’ny sisin-dalana ilay zazalahy. Nirimorimo ny fiara iray niloko mavo ka nahafaoka tsinahy an’io mpianatra io. Nipitika avy hatrany ity farany. Naratra mafy noho ny dona nahazo azy izy. Niara-nisalahy nitondra azy teny anivon’ny hopitaly avy hatrany ny tsara sitrapo. Tsy tana ny ain’ilay mpianatra noho ny fahavoazany mafy. Nidina ifotony ary nandray an-tanana ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana. Nota­nana atao andrimaso ny mpamily nahavanon-doza. Naidi­tra am-balam-pamonjana ny fiara. Tsiahivina fa manararaotra mandeha mafy noho ny hatsaran’ny lalana ny ankamaroan’ireo fiara mivezivezy eny anivon’ny lalam-pirenena voalohany. Matetika miafara amin’ny lozam-pifamoivoizana anefa izany rehefa tsy misy ny fitandremana sy fahamai­loan’ny mpamily. Mila mailo koa ireo ray aman-dreny tsy handefa irery ny zanany hanamorona ny arabe, hisorohana ny loza tahak’ity niseho tao Imerintsiatosika, omaly, ity.
Ankoatra izay, taksiborosy iray mampitohy an’i Fiana­rantsoa sy Talata Ampano no nihemotra tampoka teo am-panalana mpandeha tany amin’ny faritra Imady, distrikan’i Fianarantsoa, omaly, ihany. Nandona moto iray, trano, fiara ary olona tamin’ny sisin-dalana ihany koa avy eo. Vokany, maty tsy tra-drano, vokatry ny dona mafy nahazo azy, ny ramatoa iray mpivarotra teo amoron-dalana, raha toa ka olona dimy hafa naratra. Anisan’izany ny mpamilin’ilay moto sy ireo mpandeha efatra tao anatin’ny fiara. Efa nentina nihazo ny hopitaly avokoa moa ireo naratra rehetra ireo.

Tsiferana R. / Mino

Partager sur: