Lalao manasa-dalana: nihazo an’Alger ny Barea

Niala tao Constantine ny Barea de Madagascar, omaly. Namonjy an’i Alger, renivohitr’i Algerie, hanatontosana ny lalao manasa-dalana rahampitso. Nitondra ny delegasiona malagasy, ny fiaramanidin’ny kaompaniam-pitaterana Air Algerie.
Tsiahivina fa ao amin’ny kianja Nelson Mandela, kaominina Baraki, ny kianja hanaovana ny lalao. Hi­fanandrina ny Barea de Madagascar sy ny Lions de Te­ranga, Senegal. Manomboka amin’ny 10 ora alina eto Madagasikara ny lalao. Nitsodrano ny mpilalaon’ny Barea, ny tomponandraikitra tao amin’ny hotely nitoerany. Mamy hoditra any an-toerana ny ekipa malagasy, ka nisy mihitsy aza ny nanatitra azy ireo teny amin’ny seranam-piaramanidina.

Fitia (Mpianatra asa)

Partager sur: