Anisan’ny nodinihana nandritra ny fivoriamben’ny federasiona malagasy ny basikety, ny Asabotsy teo, ny mahakasika ny lalaon’ny Nosy hatao eto Madagasikara. Tanjona ny hitazona ny anaram-boninahitra azo tamin’ny 2019.
Fandaharam-potoana iraisan’ny fanatanjahantena rehetra amin’ity taona 2023 ity ny lalaon’ny nosy, hatao ny 23 aogositra hatramin’ny 5 septambra izao. Laharam-pahamehana ho an’ny federasiona tsirairay ny firesahana ny fanomanana sy ny fampivondronana ireo atletany sy mpilalaony hiatrika izany, anisan’izany ny taranja basikety. Ho azy ireo, tsy mbola misy aloha hatreto ny fampivondronana, miandry ny fampanantenana natao, ny tokony hanombohan’ny fampivondronana ny faran’ity volana janoary ity, izy ireo, araka ny nambaran’ny filohan’ny federasiona malagasin’ny basikety, Ramaroson Jean Michel.
Hanomantena eto i Mayotte
Tsy manao ambanin-javatra ny fiatrehana ny Lalaon’ny Nosy atao eto Madagasikara, amin’ity taona 2023 ity ireo Nosy rahavavy, ho an’ny taranja Basikety. Isan’ny efa mihetsiketsika ary mitady ny fomba rehetra, hahazoana traikefa sy hanatonana antsika ry zareo Mahorais, izay raha ny vaovao nambaran’ny federasiona malagasy tamin’ny faran’ny herinandro teo tetsy Soanierana, hoavy eto Madagasikara izy ireo amin’ny 2 febroary izao, hanomantena sy handranto lalao ara-pirahalahiana amin’ny ekipam-pirenena Malagasy. Nomarihan’ ny filohan’ny federasiona, Ramaroson Jean Michel, fa finiavana manokana avy amin-dry zareo Mahorais izao fandehanana aty Madagasikara izao, izay ezahan’ ny FMBB hararaotina ihany izany, hoy izy, hifampiresahana sy hangatahana amin’izy ireto, ny hahafahana manao lalao ara-pirahalahiana maromaro, mandritra ny fotoana handalovana aty Madagasikara.
Mi.Raz
Miandry !
Ankoatra ny Basikety, miandry ny fiaingan’ireo taranjam-panatanjahantena maromaro hihazo an’i Sina, ny mpankafy ny fanatanjahantena eto amintsika. Tsiahivina, amin’ny tapatapaky ny volana febroary no voalaza handehanan’ny delegasiona, izay hiofana sy hanaraka fampivondronana mandritra ny volana vitsivitsy any. Mametra-panontaniana ny mahakasika ny an’ireo taranjam-panatanjahantena hafa ny taranja sasany, tsy anatin’ny lisitra mandeha miofana any ivelany. Efa nisy rahateo ny fampanantenana nataon’ny minisitra, Tinoka Roberto, ny amin’ny fanafarana teknisiana na manam-pahaizana manokana, hizara ny traikefany eto Madagasikara. Hatreto, mbola tsy heno ny tohiny, izay efa samy miandrandra izany ny rehetra.