Famakiana ny Kianjan’ny 13 Mey: Miaramila iray sy sivily roa namoy ny ainy voatifitra

Miaramila kilasy faharoa, niasa tao amin’ny Capsat no maty, afakomaly. Voatifitra tamin’ny fifanjevoana teny amin’ny Toby Ratsimandrava izy. Nisy sivily roa lahy kosa lavo teny Ambohidahy.

Niampy telo ny olona namoy ny ainy nandritra ny hetsika fidinana an-dalambe nataon’ny Gen Z sy ny vahoaka leo delestazy. Miaramila iray, miasa ao amin’ny Capsat Soanierana no voatifitra teny Andre­fan’Ambohojanahary, afakomaly. Nisy ny fifampitifirana teo amin’ny Tafika niara-dia tamin’ny vahoaka, andaniny, sy ny zandary niaro ny tobiny, ankilany. Nirefodrefotra ny basy teny an-toerana. Tsy voafaritra mazava tao anatin’ny fifanjevoana ny nahatifitra ilay miaramila, fa ny fanambarana nataon’ny jeneraly Lylyson René de Roland dia zandary no namono azy. Ankoatra azy, mbola nisy sivily anakiroa ihany koa lavo noho ny fandraisana anjara tamin’ny hetsika. Voatifitra tamin’ny lohany ny iray.

Maro ny naratra

Tafakatra am-polony ma­hery ny naratra araka ny loharanom-baovao roa samihafa nahazoana izany. Nisy ireo naratra teny an-kianja, nifamonjen’ny mpilatsaka an-tsitrapo. 35 no voatery nozairina, ny dimy kosa nanana olana teo amin’ny kitrokeliny. Mbola nisy ny sempotra nifamonjena maherin’ny 50, hoy hatrany loharanom-baovao eo anivon’ireo fikambanan’ny mpitsabo sy mpitsabo mpanampy miaraka amin’ny Gen Z. Toy ny mahazatra, manahirana ny mahazo vaovao eny amin’ny hopitaly HJRA, na izany aza, fantatra fa 10 mahery no niditra vonjy aina maika. Ankoatra ireo, misy ny sokajin’olona nisafidy ny namonjy fodiana avy hatrany. Marihina fa maromaro ny mpitandro filaminana maratra saingy tsy nahazoana antontanisa ofisialy izy ireo.
Mpandroba

Raha ny fizotry ny hetsika omaly, voaporofo fa tsy ny mpidina an-dalambe aloha no mpandroba. Niambina ireo tsena sy magazay saika hisy hamaky ny olona tratra alina teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey. Torak’izany ny teny amin’ny faritra Fasan’ny Karana. Misy andian-jatovolahy mipoitra tampoka, manakan-dalana sy mandroba mpandalo. Ny andrimasom-pokonolona sy ny mpitolona no nijoro sy miambina.
Somary nanahirana kely ny teny amin’ny faritra Tanjombato. Mbola nisy ny magazay voaroba. Voafehy vetivety anefa ny toe-draharaha, tonga ara-potoana ny miaramilan’ny Capsat, nisahana ny asa fandriampahalemana ny alin’ny sabotsy. Nirefo­dre­fo­tra ny tifi-danitra hatrany anelakelan-tranon’Andohara­nofotsy.

Miverina amin’ny laoniny

Manoloana ny toe-draharaha, izay manomboka hiverina amin’ny laoniny ny andavanandron’ny mponina, dia nidina ifotony, teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey, omaly, ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny kaomisera Ny Aina Andriambelo. Nanome toky ny vahoaka izy fa hiaro azy ireo araka ny ara-dàlana. Mifa­nindran-dalana amin’izay, ha­natevina ny asa fampandriana tany sy ny famerenana amin’ny laoniny ny filaminam-bahoaka koa ny zandarimariam-pirenena. Ny Tafika Ma­lagasy rahateo efa niditra an-tsehatra amin’ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany.

Riana Raymond

Partager sur: