Nisokatra tao amin’ny Radisson Blu Tana Waterfront Ambodivona ny faran’ny herinandro teo ny fampisehoana Zah@Geek, fampisehoana tontolon’ny nomerika eo emin’ny asa, nokarakarain’ny Orange Digital Center Madagascar. Nahasarika tanora 3000 mahery izany fampisehoana izany, tanora manana mari-pahaizana ambony mitady asa. Nitarika ny fotoana Rahantanirina Vavitsara Gabriella, minisitry ny Fampianarana teknika sy fanofanana momba ny asa, sy Frédéric Debord, tale jeneralin’ny Orange Madagascar.
Tolotrasa an-jatony avy hatrany mifanaraka amin’ny teknolojia takina avy amin’
ireo orinasa 20 nanao fampisehoana tamin’io fotoana io. Voalohany amin’ny seho nomerika izao eto Madagasikara, ary namaly ny antso hidirana amin’izany tontolon’ny asa vaovao izany, izay fanamby lehibe takina amin’ny tanora rehetra amin’izao fotoana izao.
Anisan’ny fandaharam-potoana ireo famelabelaran-kevitra samihafa mahakasika ny nomerika, toy ny «Masterclass RH, battles livecoding, hackathon» sy fandaharana samihafa. Karazana fifaninanana koa io fotoana io teo amin’ny samy orinasa amin’izay fandraisana mpiasa ao aminy. Hahazo loka izay efatra voalohany tamin’io fampisehoana io. Mitohy hatrany ny fampisehoana ataon’ny Zah@Geek karakarain’ny Orange Digital Center Madagascar.
5G Lab iray, fiaraha-miasan’ny Orange Madagasacar sy Huawei koa natokana nandritra io fotoana ho an’ireo mpitsidika. Maimaim-poana izao fanohanana ho an’ny rehetra izao, hahafahana manovo fahaizana nomerika. Marihina fa hatramin’ny iray taona nijoroan’ny Orange Digital Center Madagascar, nanofana tanora 1 600, ka 60 % vehivavy. 400 no efa tafiditra miasa sady matihanina eo amin’ny toerany.
Ndrina