Maty tsy tra-drano ny mpitondra moto iray tra-doza teny By-Pass, omaly maraina tamin’ny 6 ora sy sasany. Nifandona tamin’ny fiara nifanoha-dalana taminy izy ka nipitika avy eny ambony moto.
Nitondra ireny karazana moto matanjaka sady lehibe antsoin’ny tanora “gros cylindre” ireny io lehilahy io. Nandeha mafy izy, araka ny fitantaran’ny nanatri-maso. Tetsy ankilany, nifanoha-dalana taminy ny fiara iray. “Nanapaka tampoka ilay fiara, kinanjo nifandona avy hatrany izy roa”, hoy ny fanazavan’ny nanatri-maso. Nipitika niala ambonin’ny moto nentiny ilay lasibatra. Nianjera tamin’ny arabe ka vaky ny lohany. Tsy afa-nialana nenina intsony io lehilahy io fa tapitra teo no ho eo ny ainy. Nidina nijery ny zava-nisy ny mpitandro filaminana miasa eny an-toerana.
Voatazona ny mpamily…
Niroso tamin’ny fihazonana ny mpamilin’ny fiara izy ireo. Atao famotorana taorian’ny voina nitranga ka nahafatesan’ olona ity farany. Ankoatra io, naiditra am-balam-pamonjana ny fiara nitera-doza. Nalain’ny fianakaviany ny nofo mangatsiak’ilay mpitondra moto namoy ny ainy. Mila mailo hatrany ireo mpampiasa kodiaran-droa satria saika miafara fahavoazana mafy na amin’ny fahafatesana hatrany ny voina mahazo azy ireo. Vao herinandro lasa, olona roa nifandona tamin’ny kamiao lehibe teny Andraharo. Tapaka tanteraka ny tongotr’ilay ramatoa nentina tao aoriana.
Tsiferana R.




