Hafanana sy fifampikasohan’ny herinaratra: Tokantrano 15 isa traboina vokatry ny haintrano

Nitrangana haintrano tao amin’ny kartie Antaninarenina, Fort-Dauphin, afakomaly, ta­min’ny 2 ora sy sasany hariva. Trano miisa enina no kila forehitra, nahitana tokantrano 15 isa. Mahatratra 92 ny isan’ny traboina, izay mpianatra ny 15 amin’izany. Niara-nientana namono ny afo ny mponina tany an-toerana. Naharitra ora maro vao voafehy izany. Vo­kany, lasa lavenona avokoa ny trano sy ny entana maro tao anatiny. Tonga nijery ireo traboina tany an-toerana ny solombavambahoaka voafidy tany Fort- Dauphin, Chabani Nourdine, omaly, nitondra fanampiana.
Ankoatra izay, trano iray may kila forehitra, omaly tokony ho tamin’ny 11 ora, tao Ambodivoanio Ambanja. Trano fonenan’ny mpampianatra iray no niaingan’ny afo. Niitatra tamin’ny trano manodidina izany noho ny fitsokan’ny rivotra. Tsy nisy olona rahateo tao an-trano tamin’ny fotoana nisehoan’ny loza. Fi­fampikasohan’ny herinaratra na (court-circuit) ny antony na­hatonga ny loza, raha ny fanazavana voaray tany an-toerana. Nifarimbona namono afo ny mponina sy ireo polisy any an-toerana. Naharitra adiny iray teo ny fifehezana ny afo. Noho izany, lavenona avokoa ny fanaka sy ny entana rehetra tao an-trano niaingan’ny afo.
Marihina fa tsy nisy aina nafoy na naratra tamin’ireo tranga ireo. Entanina hatrany ny olon-drehetra mba ho mailo, hisorohana ny haintrano ta­haka izao.

Mino

Partager sur: