Asa vaventy : ratsy dia ratsy ny lalana manerana ny Nosy

Lalam-pirenena maro na ireo mampitoka-monina kaomina maro. Mitaraina noho izany ny mpamily rehetra ao anatin’izao fotoam-pahavaratra sy fiavian’ny rivo-doza matetika izao. Na misy aza ny fanamboarana ny ampahany sasany, tena ratsy ny ankamaroan’ny lalana. Manahy ihany koa ny mpandeha maro.
Tsy tapaka manolo kojakoja samihafa, toy ny «plaquettes de freins» ny ao
amin’ny Fasan’ny Karana, seranana mianatsimo izay tsy misy fanamboarana hatra­min’izay. Mpamily iray, ohatra, nilaza fa mihalehibe ireo lavaka eny an-dalana ka mila mitandrina. Mitombo ny fandaniana eo amin’ny fikojakojana fiara, mampihena ny vola miditra. «Mitombo ihany koa ny lozam-pifamoivoizana ka aiza ny tetibola ho an’ny fanamboaran-dalana na fa­matsiana avy any ivelany na avy eto an-toerana ?», hoy ireo mpamily niray feo.

Ho tonga sa tsia ?
Olana goavana ohatra izany mankany Farafangana izany, faritra Atsimo Atsi­nanana. Ho tonga sa tsia ? Ho vaky indray ny kodiarana sa tsia ? Tsy mitsahatra mampitandrina ny mpamily ny mpandeha. Raha sanatria misy loza, ny mpamily ihany no tompon’antoka, fa hadino ireo lavaka sy fihotsahan’ny lalana ireo.
Misy mihitsy ampahan-dalana sasany mampatahotra noho ny faharatsiany tafahoatra, ary eo ny fanararaotan’ny sasany mangalatra amin’ireo fiara voatery mandeha mora, na mandeha antoandro aza. Ny vahoaka ihany no matiantoka fa ny tompon’andraikitra ambony mandeha fiaramanidina matetika.
Ankoatra izay lalan-dratsy izay, tsy avelan’ny ATT* mitondra enta-mavesatra mi­hoatra ny 20 kg isan’olona ireo fiara mpitondra mpandeha. Betsaka ny loza noho ny entana diso tafahoatra, hoy ny ao amin’ny ATT. Tsy afaka manaraka izany anefa ny mpamily maro, satria ireo entam-barotra ireo no miantoka ny vola miditra aminy. «Mijery fotsiny izany» koa ireo polisy na zandary manao sakana eny an-dalana.

Ndrina

ATT* : Agence des transports terrestres

Partager sur: