Niosim-pasika ny faritry ny tarehin’ny vehivavy iray hita faty amoron-dranomasina, tao Anosindafaza, fokontany Analamalotra, kaominina ambanivohitra Antetezambaro, afakomaly hariva. Niala ny trano fonenany ny marain’ny andro alatsinainy lasa teo, ity vehivavy ity. Tsy niverina nody izy ny atoandro. Niandry azy ireo fianakaviany saingy tsy hita ny nanjavonan’ilay renim-pianakaviana. « Niala tao an-trano izy tamin’ny 10 ora maraina ary tsy naharenesam-peo intsony taorian’io », hoy ny fanazavan’ny reny niteraka azy. Mananika ny 30 taona izy. Naharay fampandrenesana avy amin’ny olon-tsotra ny havany fa hita faty tampoka ity farany. Nirodorodo namonjy ny moron-dranomasina ny fianakavin’i Francia. Tsy fantatra mazava ny antony nahatonga ny fahafatesan’ny lasibatra. Miroso amin’ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana aorian’ny fanitrihan’ny fianakavian’ny mana-manjo ny vatana mangatsiaka an’ilay vehivavy.
Tsiferana R.




