Nitrangana haintrano tany Mahavelokely, Fenoarivo Atsinanana, afakomaly hariva, tokony ho tamin’ny 4 ora sy sasany. Nitranga tao amin’ny parcelle fahatelo teo akaikin’ny renirano Marokiso, Fenoarivo Atsinanana ny tranga. May kilan’ny afo nandritra izany, ny trano hazo maro sy trano vita amin’ny biriky miisa enina. May kila sy lasa lavenona niaraka tamin’izany ihany koa ireo entana izay tsy tafavoaka tao anatin’ny trano. Raha ny vaovao voaray, fifampikasohana teo amin’ny herinaratra na (court-circuit) teo amin’ny trano manodidina ny antony nahatonga ny afo. Niitatra haingana ny afo noho ny fitsokan’ny rivotra sy ny tsy fahampian’ny rano namonoana ny afo. Niezaka navoaka ny entana rehetra tao anaty trano ireo olona. Mbola maro anefa ny entana levon’ny afo, taorian’ny loza.
Tonga tany an-toerana ny mpitandro filaminana avy amin’ny FDS, ny Polisy Monisipaly ary ny Polisim-pirenena avy ao amin’ny DRSP sy CSP taorian’ny antso. Nigadona teny an-toerana ny milina fisintomana rano 10 minitra taorian’ny tranga. Nifarimbona namono ny afo ny mponina teny an-toerana sy ireo mpitandro filaminana isan-tsokajiny, noho ny tsy fisian’ny vondrona mpamonjy voina. Voafehy tanteraka ny afo tamin’ny 5 ora hariva.
Tsy mbola fantatra mazava ny fitambaran’ireo fatiantoka tamin’io fahamaizana io. Manentana ny rehetra ny mpitandro filaminana mba ho mailo hatrany. Hisorohana ny tranga fahamaizana tahaka izao izany. Marihina fa tsy nisy ny aina nafoy sy ny naratra tamin’io tranga io.
Mino




