Jly Mamelison Mbina Nonos : « Aoka hanohy ny asany ny zandary»

Miantso ireo zandary rehetra manerana ny Nosy tsy ho mora handairan’ny tsaho miely ny kaomandin’ny zandarimariam-pirenena (COMGN), ny Jly Mamelison Mbina Nonos, omaly. Laharam-pahamehana ny fanohizana ny asa.

Manoloana ny fanambarana maro samihafa eny anivon’ny tambajotran-tserasera, naneho ny heviny ary nisarika ireo zan­dary rehetra manerana ny Nosy, ny COMGN, ny jeneraly Mame­lison Mbina Nonos, omaly. Nisarika ny sain’ireo mpiara-miasa aminy rehetra tsy ho mora voasariky ny tsaho miparitaka ny tenany, izay voatendry ho tomponandrai­kitry ny zandarimariam-pirenena andro vitsy lasa izay. Nanamafy io jeneraly io fa anatin’ny fandaminana tanteraka ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana izao. « Mbola eo am-pandaminana ny komity hisahana ny raharaham-pirenena isika amin’ izao fotoana », hoy ny fanazavan’ny jeneraly Mamelison Mbina Nonos. Tsy mbola misy ny drafitra ka tsy tokony ho mora handray an-tendrony ny rehetra. Tsy misy, araka izany, ny baiko na didy tokony hanakana ny zandary tsy hanohy ny asany. Miara-misalahy ma­molavola io drafitra vaovao io ny Tafika, ny polisim-pirenena ary ny zandarimaria. Marihina, niteraka resabe ho an’ny mpanara-baovao ny fanehoan-kevitra nataon’ny lehiben’ny vondron-tobim-pileovan’ny zan­darimaria ao Menabe, ny Kly Faneva, momba ny zandarimaria. Nitondra fanazavana manokana koa ny Jly Lilyson de René, izay Governoran’i Sofia. Miaro ny vahoaka sy ny fananany any amin’ny faritra ivelan’ny Renivohitra matetika no ahalalan’ny besinimaro ireo zandary eto Madagasi­kara. Nalaza ratsy noho ny fisian’ny fampiasan-kery nandritra ny hetsika Gen Z izy ireo, na­nom­boka ny 25 septambra lasa teo. “Tsy diso velively ireo zan­dary zandry nanatanteraka baiko fa ny olona nibaiko azy no tompon’antoka”, hoy ny fanamafisan’ny Jly Lilyson, omaly.

Tsiferana R.

Partager sur: