Manomboka sahady

 

Manahirana ny zava-miseho eto amin’ny tany sy ny firenena, ankehitriny. Raha noheverina fa hamaha olana ilay fahazoana filoham-panjakana vaovao dia nivadika ho zavatra hafa tanteraka aloha hatreto. Rafitra tsy misy fototra, fitondrana miorina sahady anatin’ny zavatra tsy dia milamina loatra. Mitady hitohy ny fanjakan’ny Baroa. Ny te hiasa miasa, ny tsy miasa moa tsy misy bedy.
Izay anefa no nitolomana, mba ho fiarahamonina ahitam-bokany sy hitondra ny soa. Ilay fiainana mirindra anaty fanatsarana, lavitry ny fahalovana toy ny kolikoly sy ny kitranoantrano. Indrisy anefa, inona sahady ny zava-miseho. Toa mivadika ho fanararaotana, handrombahan’ ny sasany izay tsy nananany. Entina mandrava izay azo ravaina, na hita fa nahatsara sy nahasoa aza.
Tsy ny fomba fiasa eny amin’ny tontolon’ny asam-panjakana ihany, fa na ilay fitakiana ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety sy ny fahafaha-miteny aza. Mala­laka ny fivezivezena fa misy ireo efa manavakavaka. Misy ny trano fanaovan-gazety mahazo vahana amin’ny fifampizarana sy ny fakana feo. Tranga efa namohehatra, anisan’ny singam-bolo nandavo ny vositra.
Firenena tsy natao ho an’ny tsy mena-mivadika i Madagasikara. Firenena tsy hanaovan-dratsy ela. Maro ny nandalo, betsaka no nihevitra tsy ho tratry ny aloka, fa tsy tafajanona izany. Izay tsy mitana ny teny nomeny dia ratsy fiafara. Matetika anefa dia maro an’isa ireo nitady ny fomba hahazoan-tseza, fa tsy hita izay tena asa mivaingana azo notsapain-tanana.
Madagasikara dia tany masina, tsy hisangisangiana amin-draha tsy manjary. Maro no nihevitra ny hanam-pahefana maharitra kanefa lavon’ny singam-bolo mpandavo ny vositra. Simban’ilay fandoto iray tandroka, noho ny fitiavan-kely sy firaisana tsikombakomba amin’ny ratsy.

r.r

Partager sur: