Mahavelombolo ny fivoaran’ny raharaha politika eto Madagasikara, amin’izao fotoana izao. Taorian’ny adilahy, io fa misokatra ny varavaran’ny fampihavanana. Hanao rodobe aty indray ny Vondrona afrikanina sy ny Sadc. Efa mipetrapetraka ny ekipa, daty fiaingan’ny sidina sisa dia higadona aty ifotony, hizaha ny zava-misy marina izy ireo. Ny eto an-tanàna rahateo efa manokatra varavarana.
Ny isavorovoroan-kilantoana, izay to fo mpamosavy, hoy ny oha-pitenena malagasy. Midika izany fa tsy misy afa-tsy ny firosoana an-databatra boribory. Iaraha-mahalala rahateo fa resaka fitakiana sosialy, niraisan’ny Malagasy fo no nandrodana ny teo aloha. Tsy tokony ho ambanin-javatra, araka izany, ny fampivondronana ny herivelona rehetra, hanohana ilay Madagasikarantsika.
Raha ny fizotry ny toe-draharaha rahateo, maika ny fitadiavam-bahaolana amin’ny krizy iainana andavanandro. Hita fa na ny naka na ny nangalana fahefana izao dia samy mbola mahazo tombony. Nahazo seza ny miaramila, fa raha tsy miova ny Lalàmpanorenana dia mazava be, mbola afaka milatsaka ho fidiana indray ny Filoha teo aloha, Rajoelina Andry. Antony, noho izy tsy nahavita ny fe-potoam-piasany.
Henjana ny kajikajy politika, raha mizaha sy mamaky akaiky ny toe-javamisy. Tsy mahasakana an-drafihavanana tsy hanjaka sy handresy indray izany. Ny famahana ny olana anatin’ny firenena, mifanaraka amin’ny odidina misy rahateo no zava-dehibe. Isika rahateo tena mila miezaka hatrany amin’ny fandevenana an-dravalifaty impito mandifitr’olona. Tsy ho boribory vetaveta akory, ka ny angovo hoenti-mandroso hivadika onja miiba handrendrika ilay sambobe, antsoina hoe Madagasikara.
r.r




