Vehivavy dimy sy lehilahy dimy samy namoy ny ainy vokatry ny fianjeran’ny taksiborosy iray avy eny ambony tetezana, tany amin’ny lalam-pirenena fahenina “Pont Sofia”, kaominina Marovantaza, distrikan’Analalava, omaly tamin’ny 3 ora maraina. Niainga avy any Mahajanga, nikasa hihazo an’Antsohihy io fiara mpitatitra io. Nidona mafy tamin’ny sisin’ny arofanina teo ambonin’ny tetezana ilay fiara sprinter. Tsy nahasakana ny vy amin’ny sisisn-dalana ka nilatsaka avy hatrany tany anaty hantsana ny fiara. Nivadika ary niforitra tanteraka vokatry ny dona mafy. Mpandeha miisa fito namoy ny ainy teo no ho eo, araka ny loharanom-baovao voaray. Nisy ireo vaky ra sady voa mafy ka nifamonjen’ny fiaran’ny mpamonjy voina nentina nihazo ny toeram-pitsaboana ao Port-Berger. Niampy olona telo hafa indray ireo namoy ny ainy rehefa tonga teny anivon’ny hopitaly. Tanora vao erotrerony avokoa ny ankamaroan’ireo lasibatra. Nidina ifony nijery ny zava-nisy ny lehiben’ny distrika Port Berger sy ny mpitandro filaminana. Anatin’ny fanadihadiana tanteraka ireto farany manoloana io voina io. Ahina ho tratry ny torimaso fotsy ny mpamily ny fiara. Etsy ankilany, manahy ho mety nisian’ny fihoaram-pefy tamin’ny hafainganam-pandeha koa ireo nanatri-maso. Mitotaly 17 ireo mpandeha tao anatin’io taksiborosy io. Manaraka fitsaboana ireo naratra mafy.
Tsiferana R.




