Nanamafy ny fiaraha-miasa amin’ny vondron’olona ifotony eny anivon’ny fokontany na Vaomieran’ny fandriampahalemana ny polisim-pirenena, notarihin’ny talen’ny fitaleavam-paritry ny filaminam-bahoaka, ny kaomisera Andrianalison Haminiaina, afakomaly. Manoloana ny tranga fanararaotana ataon’ireo olon-dratsy nanomboka ny 25 septambra lasa teo, tsy mitsahatra manao ny asany ireo vaomiera eny anivon’ny fokontany mandrafitra ireo boriborintany enina eto Antananarivo Renivohitra. Tsy mitazam-potsiny ny polisim-pirenena fa mifanome tanana amin’ireo tomponandraikitra eny anivon’ny fokontany. Manana paikady entina miaro ny vahoaka sy ny fananany amin’ny maha polisy azy ireo, manampy ihany koa ireo andrimasom-pokonolona mba hanamora ny asa sahanin’izy ireo amin’ny alina ny ekipan’ny polisim-pirenena. Tanjon’ izy ireo ny hisian’ny polisy saika manerana ny fokontany eto an-dRenivohitra. Ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Contrôleur général de Police Randriambelo Mandimbin’Ny Aina, izay nanamafy andro vitsy taorian’ny nanendrena azy, fa miaro ny vahoaka hatrany ny polisy. Tsiahivina, efa nizara fanamiana mitovy, jiro ary kiririoka ho an’ny andrimasom-pokonolona miambina amin’ny alina ny polisim-pirenena, roa herindro lasa izay.
Tsiferana R.




