Ambalavao Isotry : Lehilahy iray tratra nangarom-paosy

Voasambotry ny polisim-pirenena tetsy Ambalavo Isotry ny lehilahy iray, 18 taona, afakomaly hariva. Tratra nangarom-paosy mpandeha iray teny an-toerana izy. Lasibatry ny asa ratsy nataony tamin’izany ny vehivavy iray, 20 taona, hamonjy fo­diana. Very tamin’izany, ny finday marika Infinix Smart 5 tao anaty poketrany. Niantso vonjy avy hatrany ity niharam-boina rehefa nahatsapa fa lasan’ny mpangalatra ny findainy. Naheno izany ny polisy miasa eny an-toerana ka nandray andraikitra nanenjika ilay olon-dratsy. Tsy niandry ela fa tratra tsy lavitra teo izy io. Mbola hita teny aminy ilay finday nangalariny. Taorian’ny fanamarinana, naverina tamin’ ny tompony izany. Nentina eny anivon’ny biraon’ny polisim-pirenena avy hatrany ity farany nanokafana fanadihadiana. Hatolotra ny fitsarana ny raharaha aorian’ny famotorana.
Ankoatra izay, vehivavy mpanao gazety iray ihany koa no niharan’ny harom-paosy tetsy Mahamasina, afakomaly. Niditra tao anaty fiara fitateram-bahoaka izy ary nisy vehivavy nipetraka teo akaikiny. Nodidian’ity farany tamin’ny zava-maranitra ny poketrany. Efa lasa io vehivavy nanao asa ratsy io vao tsikariny fa tataka sy rovitra ny poketrany. Tsy nisy zavatra lasan’ny mpangalatra moa tamin’izany.

Mino

Partager sur: