Fitakiana… fitokiana

 

Fanararaotana izao ? Izay tratra ny karazana fitakiana isan-tsehatra sy isan’ambaratonga. Misy aza tonga amin’ ny fitakiana departemanta na minisitera manokana amin’ny sehatra misy azy. Hanao ahoana? Na ny hoenti-manana sy ny hoenti-mihetsika… Na rafitra io, na olona, na vola, na fomba fiasa… Tsy vita mora, na hita mora sy maro aza ny manao fitakiana. Hay samy manana izay manahirana azy avokoa! Eny, na ny maha olona ihany aza… Na ahoana na ahoana, tsy ho vetivety na miaraka amin’ny vava ny fanatanterahana. Nefa misy ny mampiaka-peo fa hiverina amin’ ny fitokonana, raha tsy misy mangirana ny fanatanterahana ny fitakiana. Mandra-pahoviana?
Fanovan-drafitra : iza na inona no andrasana ? Manomboka amin’ny tena ny fanovana. Izay miova no afa-kanova, izay vaovao fijery no afa-kitondra zava-baovao, izay matoky tena no azo itokiana… Mba misy mitondra vahaolana sy paikady fanatanterahana izay takiana ve, ohatra, ireo mpanao fitakiana sa mitaky fotsiny ihany na ho any na tsy ho any? Dia miandry, manantena… Inona no azo atao sy mety ho vita mandra-pitrangan’izay hitranga na izay hatao? Misy anjara biriky hifanomezan-tanana, ifampitokisana, ifampizarana andraikitra, tsy ifampiandrasana… Aiza ho aiza? Na mba misy fiovana sy fanovana ahay manomboka eo amin’ny tena sy ny manodidina; eny, na izay tsy fiandrasana ny hafa izay fotsiny ihany aza aloha.
Ny toky, fitaka; fa ny atao no hita? Fa ny taky na fitakiana koa fitaka amin’izay hoe hetahetam-panovana, raha filam-boatsihary, sanatria. Na sarotra tanterahina, mila fo­toana na fifanomezan-tanana… Tsy mora ny manao zavatra? Fa tsy zavatra koa ny fanaovana izay atao moramora… Samy tomponandraikitra amin’izay lazaina sy atao amin’izao? Na hoe matoky matoa mitaky aza…

R. Nd.

Partager sur: