Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tany amin’ny lalam-pirenena faharoa, any Brickaville, omaly tamin’ny 3 ora tolakandro. Olona telo tamin’ireo mpandeha dimy namoy ny ainy, izay tery tao anaty fiara.
Niseho teo amin’ny PK 249 hiditra Brickaville ny loza. Latsaka tany ambany tetezan’i Menagisy ny kamiao lehibe iray, izay feno entana. Avy any Toamasina ary hihazo an’Antananarivo izy izao niharan-doza izao. Olona dimy ny atao anaty fiara. Olona telo namoy ny ainy, izay tery tao anaty fiara avokoa. Anisan’izany, ny mpamily, renim-pianakaviana iray ary ramatoa mpampianatra iray izay nikasa ho any Moramanga. Nanampy amin’ny fisokirana azy ireo ny zandary any an-toerana miaraka amin’ny fokonolona. Nitsambinkina avy eny ambony fiara kosa ny olona roa hafa, izay nahitana ny mpanampy ny mpamily sy zaza iray (zanak’ilay mpampianatra). Efa noentina nihazo ny hopitaly any Brickaville avy hatrany moa ireo olona roa mbola velon’ aina ireo.
Misy lolo
Toerana iray matetika hisehoan’ny loza mahatsiravina foana eo amin’io toerana nisehoan’ny loza io, raha ny fanazavana voaray. Misy lolo miseho sy manelingelina ny mason’ny mpamily eo an-toerana. Miala izany ny mpamily ka lasa mivarina any ambany tetezana. Ankoatra izay, misy fady ihany koa eny an-toerana. Heverina ho nihinana zava-pady ny mpamily ka mety ho nampivarina azy tany ambany tetezana. Tsy mbola fantatra mazava ny anton’ny loza, fa efa tonga any an-toerana ny zandarimaria avy ao amin’ny tobim-paritr’i Brickaville sy ny BPR manao ny fanadihadiana sy mijery ny zava-misy.
Sajo




