Voafaokan’ny 4×4: Mpitondra moto namoy ny ainy

Voafaokan’ny 4×4 avy ao­riana ilay kodiaran-droa, namoy ny ainy ny tovolahy vao erotrerony nitondra moto teny amin’ ny lalambe migodana na “au­toroute” vaovao (AR1), omaly. Nitondra moto misy vitesse io lehilahy io. Nanararaotra ny fa-halalahan’ny arabe, mandeha mafy ireo fiara mifamezivezy amin’io toerana io. Nikasa hi­vily tampoka ilay mpitondra moto. Tsy nahatsikaritra ny fisian’ny fiara tsy mataho-dalana marika Volkswagen izy. Tetsy ankilany, tsy nanampo ny fivilian’io moto io koa, ny mpamilin’ilay 4×4. Noraofin’ny fiara avy hatrany io mpitondra moto io ka nipitika. Tsy naha­tsiaro tena sady vaky loha ary nitsirara teo afovoan’arabe ilay lasibatra. Tsy afa-nialana ne­nina intsony izy satria tapitra ny ainy.  Nijanona ny fiara nitera-doza. Potika tenteraka ny lohan’io 4×4. Nidina ifotony nijery ny zava-nisy ny mpitandro filaminana. Naiditra am-balam-pamonjana ny fiara namoa-doza. Notanana atao fanadihadiana ny mpamily. Marihina, miseholany ny lozam-pifamoivoizana ateraky ny tsy fitandremana ataon’ny mampiasa lalana indrindra ireo mpitondra kodiaran-droa tato ho ato. Ilaina ny fampiasana ny aroloha sy fanajana ny hafainganam-pandeha hisorohana ny loza.

Tsiferana R.

Partager sur: