Zava-mahadomelina: Roa lahy nahatrarana rongony 14 kg

Nandositra tao anatin’ny haizina ireo roa lahy nitondra rongony tamin’ny gony rehefa nifanehatra tamin’ny polisim-pirenena tao amin’ny fokontany Ambanin’ny Hopitaly, kaominina Tsaratanàna, faritra Betsiboka, ny 18 oktobra teo. Nitatitra ny entana tao anatin’ny gony ireo roa lahy. Nanararaotra ny alina izy ireo ka nihevitra tsy hisy hahatsikaritra. Nifanandrify tamin’io fikasan-dratsy nataon’ireo mpitatitra rongony io, nanao fisafoana alina ny mpitandro filaminana miasa ao an-toerana. Nahatazan-davitra ny mpanao fisafoana ireo olon-dratsy ka natsipin’izy ireo avy hatrany ny gony miisa roa nentiny. Nosavain’ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria Tsaratanàna ireo gony. Tratra ny rongony efa voakarakaran’ireo tsy valahara, nokasainy hamidy. Nitotaly 14 kg ireo entana ireo. Nentina nihazo ny biraon’ny polisy. Karohina ireo olona nitondra azy. Tsihivina, manimba ny tanora amin’izao fotoana ary mahatonga tsy fandriampahalemana amin’ny faritra sasany toy ny eto an-dRenivohitra ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina.

Tsiferana R.

Partager sur: