Sezan-dry Mompera: narian’ireo jiolahy teny Ambohijatovo

Hitan’ny polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’ny bo­riborintany voalohany (CSP1) Analakely, ny 27 janoary 2023, teny amin’ny faritra Mandrosoa Ambo­hijatovo, ny seza plastika miisa 20.

Nandritra ny fisafoana mahazatra fanaon’ny polisy eny amin’iny faritra iny no nahi­tan’izy ireo olona roa nitondra zavatra lavalava teo Man­dro­soa Ambohijatovo akaikin’ny fiangonana adventiste. Nave­lan’izy ireo ilay zavatra nentiny raha vao nahita ireo polisy ry zalahy ka nitsoaka avy hatrany. Seza miisa 20, akoho amam-borona roa ary fantsona plastika mihorongorona, ireo entana natsipin’izy ireo. Nentina eny
amin’ny biraon’ ny CSP1 avy hatrany ireo entana ireo ary nitety sy nampandre ny fokontany rehetra tao amin’ny fari-piadidiany ny polisy. Fantatra nandritra ny fanadihadiana nataon’ny polisy fa ireto seza hita ireto dia very ny alakamisy 26 janoary 2023 hariva teo anelanelan’ny ta­min’ny 5 ora sy 6 ora hariva, tao amin’ny Mompera ao
amin’ny ivotoerana Arrupe Faravohitra. Seza mipetraka eo ivelan’ny trano fipetra­han’ny olona rehefa miala sasatra ireto nalain’ny jiolahy an-tsokosoko ireto. Ny zoma maraina nandritra ny fandaminana vao nahatsikaritra ireo mpiasa fa tsy teo amin’ny toerana intsony ireo seza eo
amin’ny fipetrapetrahana. Nampandre ny polisy miasa ao amin’ny CSP3 Antani­nandro ny tompon’andraikitry ny Arrupe momba ity fahaverezana ity.

Taorian’ny fampitam-baovao teo amin’ny polisy CSP1 sy CSP3, fantatra fa ireo seza very teny Faravohitra tao amin’ny Arrupe ireto hita teny Mandrosoa Ambohijatovo ireto.

Jean Claude

Partager sur: