Vatomandry : tratra ireo jiolahy namono mpanangom-bokatra

Saron’ny zandary avy ao amin’ny borigadin’i Vato­man­dry, ny talata lasa teo, ny iray amin’ireo jiolahy tompon’antoka tamin’ny fahafatesan’ny renim-pianakaviana mpanangom-bokatra amin’iny tapany atsimon’i Vatomandry iny. Araka ny fanampim-panazavana voaray avy amin’ny kaomandin’ny borigadin’i Va­to­mandry, ny GPHC, Ram­be­lo­son Solo Jean Richard, vo­ka­try ny vela-pandrika nata­on’ny zandary no nahavoasambotra azy tao Ilaka Atsi­nanana. Teo am-pandraisana taksiborosy hihazo an’Anta­na­narivo izy no tratran’ny zandary. Marihina fa nitondra volabe mandehandeha ilay renim-pianakaviana niharam-boina. Vola hividianany vokatra jirofo, kafe, trondro maina ireto tany aminy ireto. No­sakanan’ny jiolahy tao anaty ala ao amin’ny kaominina ambanivohitr’i Niarovana Caroline izy tamin’io fotoana io. Maty novonoin’ireo jiolahy izy.
Tsy vitan’izay fa norobain-dry zalahy koa ny vola 5 tapitrisa Ar saika hanangonam-bokatra tao amin’ity kaominina ity.

Sajo

Partager sur: