Mitohy ny hala-botry ataon’ireo jiolahy. Raim-pianakaviana iray naterin’ny fokonolona teny anivon’ny zandary rehefa avy nangalatra tao Soatolakandro, fokontany Ambodivohitra, distrikan’ Ikalamavony, ny 27 janoary teo . Nidina handrehitr’afo tao ambany rihana ny renim-pianakaviana iray. Foana tsisy intsony ny vary 160 kg tao amin’ny fitoerany . Niantso vonjy, arak’izany, io ramatoa io ary nampandre ireo manodidina. Nanantona ireo mpivaro-bary manodidina izy. Nitondra vary teo amin’ireo mpivarotra ireo tokoa ny olona iray nampiahiahy. Sarona, noho izany, ity farany. Nitoroka ny namany iray hafa izy ary niaraka notazomina ao amin’ny zandary.
Tsiferana R.