AJE : Mitaky fampiharan-dalàna ho an’ireo nandika lalàna

Miantso ny tomponandraikitra hampihatra ny lalàna amin’ireo mpanondrana ny harem-pirenena antsokosoko ny fikambanan’ny mpikirakira tontolo iainana (AJE), tetsy Ambohidahy, omaly.

Manararaotra ny savorovoro teto anivon’ny fi­renena, olom-boafidy iray anisan’ny nanao heloka bevava noho ny fanondranana sokatra aman-jatony efa ni­voaka sahady ny fonja, amin’ izao fotoana. Manaitra ny tomponandraikitra manoloana io tranga io ny fikambanan’ny mpanao gazety mpikirakira ny tontolo iainana na AJE. “Tsy misy antony politika velively ny nampidirana am-ponja ny olom-boafidy, solombavambahoaka iray, voarohirohy tamin’ ny trafika sokatra, nahatrarana sokatra aman-jatony”, hoy ny filohan’ny AJE, Njaka An­driantefiarinesy, tetsy Ambo­hidahy, omaly. Mialokaloka amin’ny maha olom-boafidy azy, efa hita niparitaka tamin’ ny tambajotran-tserasera sa­hady ary nanao samboady mihitsy aza, io olona nahatrarana zana-tsokatra 112, ny 24 desambra lasa teo, io. “Ma­naitra ny filoham-panja­kana amin’izao fotoana izao, indrindra ny fitsarana, amin’ny famoahana gadra”, hoy izy. Ankoatra io, nanamafy ny AJE fa fotoana mampirongatra ny fanondranana ataon’ireo tsy mataho-tody mpambotry ny harem-pirenena rahateo ny vanim-potoana lalovan’ny firenena tahak’izao. Miantso ny tomponandraikitra isan-tso­kajiny rehetra hanara-maso hisorohana ny tranga fanondranana antsokosoko izy ireo. Tsiahivina, efa nilaza ny filoham-panjakana vaovao fa tsy maintsy horaisina ny fepetra mahakasika azy ireny ary haverina any am-ponja rehefa voamarina ny heloka vitany, fa tsy misy lafiny politika. Andra­s­an’ny fikambanan’ny mpanao gazety mpikirakira ny tontolo iainana ny fampiharana izany.

Tsiferana R.

Partager sur: