Nitrangana fanafihana mitam-piadiana indray tany Mangarano II, parcelle 11/47 Carreau 4 A, tany Toamasina, afakomaly tamin’ny 3 ora maraina. Nirefodrefotra ny feom-basy. Notafihan’ny jiolahy miisa fito misaron-tava sy mirongo fitaovam-piadiana (basy sy sabatra), ny tokantrano iray. Novakiny ny varavarana ary niditra an-keriny tao amin’io tokantrano io ireo olon-dratsy. Nodarohan’ireo olon-dratsy ny raim-pianakaviana (54 taona), izay tompon-trano. Tsy vitan’izay fa mbola notifirin’izy ireo tamin’ny basy ihany koa ka naratra mafy. Lasan’ireo jiolahy, nandritra izany, ny vola mitentina 3 tapitrisa Ariary sy finday ary solosaina, raha ny angom-baovao hatrany. Lasa nitsoaka avy hatrany ireo olon-dratsy rehetra rehefa avy nandroba ny entana tao an-trano sy namono ilay raim-pianakaviana. Nentina haingana tany amin’ny Hopitaly be ny naratra saingy tsy tana ny ainy vokatry ny ratra mafy nahazo azy. Efa-mianaka izy ireo no tao an-trano. Nahitana ilay raim-pianakaviana namoy ny ainy sy ny vadiny ary ny zanany vavy iray niaraka tamin’ny zafikely iray. Tafatsoaka moa ireo olona telo mianaka ireo tamin’ny fotoana nisian’ny fanafihana.
Ankoatra izay, trano iray no nisy namaky, tany an-toerana ihany, afakomaly tamin’ny 2 ora maraina. Lasan’ireo olon-dratsy tamin’izany ny entana maro, toy ny clé USB efatra, solosaina, kitapom-bola, fahitalavitra, finday ary karapanondro. Miantso ny tomponandraikitra sy manam-pahefana mba hijery akaiky ny zava-misy fa mirongatra ny tsy fandriampahalemana any an-
toerana.
Mino




