Nosavaina ireo orinasan’ny mpandraharaha Ravatomanga Mamy, omaly. Naharitra ora valo izany. Nitondra taratasy ara-dalàna ny mpanatanteraka ny baiko teny an-toerana.
Notanterahin’ny polisy avy amin’ny Brigade criminelle, omaly, ny fisavana ny orinasa roa eo anivon’ny Groupe Sodiat an’ny mpandraharaha Ravatomanga Maminiaina. Nahitana ny Madagascar Security Academy (orinasa fanofanana mpiambina) sy ny Golf du Rova etsy Andakana. Nanomboka tamin’ny 9 ora maraina, hatramin’ny 5 ora hariva ny fanantanterahana ny fisavana ny MSA. Niroso tamin’ny fisavana ny Golf du Rova Andakana indray ny mpitando filaminana tamin’ny 4 ora hariva. Naharitra ora iray teo ny fisavana izany. Notronin’ny mpitandro filaminana avy amin’ny forces Mixte izany mba ho fiarovana ny fandriampahalemana teny an-toerana. Natrehin’ny mpisolovava avy amin’ny MFA ihany koa. Nanaraka ny fenitry ny lalàna ny fanaovana ny fisavana. Natao tao anatin’ny fiarovana ny zon’ny rehetra, tsy nisy fihoaram-pefy na fanitsakitsahana ny lalàna ny hetsika rehetra.
Fanadihadiana
Tafiditra amin’ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana mahakasika ny mety ho fandikan-dalàna nataon’ny orinasan’ity mpandraharaha ity ny be midina, omaly. Tsiahivina fa anisan’ny nahoraka sy nampangain’ireo mpanao fitakiana teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey ho tompon’antoka tamin’ny herisetra ny mpiofana tao amin’ny ivontoerana MSA.
Anisan’ny mbola miatrika fanadihadiana sy famotorana any Maorisy rahateo ny tompon’ny ny orinasa.
Hatreto anefa, tsy misy ny tatitra ofisialy mahakasika ny fisavana. Tsy azo natrehina sy nalain’ny mpanao gazety sary rahateo izany.
Mino




