Nitrangana haintrano indray tetsy Ambatobe, distrikan’ Antananarivo fahadimy, omaly atoandro, tokony ho tamin’ny 2 ora tany ho any. May kilan’ny afo nandritra izany ny trano iray misy rihana sy ny entana tao anatiny. Niainga tao amin’ ny efitrano iray tao ambony rihana ny afo, raha ny fanazavan’ny olona teny an-toerana. Niitatra haingana be ny afo ary nahazo ireo efitra rehetra. Nezahina novonjena avokoa ireo entana tany amin’ny trano ambany rihana. Raha toa ka may kilan’ny afo izay rehetra tany ambony.
Tonga nifehy ny afo teny an-toerana ny vondrona mpamonjy voina taorian’ny antso. Nigadona teny an-toerana izy ireo tamin’ny 2 ora sy 25 minitra. Tonga teny an-toerana nijery ny zava-misy sy niandraikitra ny fandriampahelamana ihany koa ny polisy avy amin’ny CSP8 Analamahitsy. Mbola tsy fantatra mazava ny antony niavian’ny fahamaizana. Marihina fa tsy nisy ny naratra sy ny aina nafoy tamin’io tranga io.
Ilaina hatrany ny fahamailoana eo amin’ny tsirairay, indrindra amin’izao andro mafana izao, mba hisorohana ny trangana famaizana toy izao.
Mino




