Fotodrafitrasa: ahin’ny mponina tsy ho vita ny RN 11 A

Nilaza ny filoham-pirenena, ny asabotsy 28 janoary teo tany Ilaka Atsinanana, Vatomandry fa hifantohana ny sosialim-bahoaka, ka miato ny fanamboarana fotodrafitrasa amin’ity taona 2023 ity. Niteraka ahiahy ho an’ny mponina any an-toerana izany, toa an’i Zafy Georges, mpandraharaha sady mpamboly sy mpiompy. «Ahoana izany ny lalam-pirenena RN 11 (Va­to­mandry- Mahanoro), izay efa tena potika tanteraka ? Ma­na­mo­ra ny sosialim-bahoaka an­efa ny fahavitan’ny lalana, sa­tria hivoaka ny vokatra, ho to­nga ny famatsiana sy ny fanampiana, tsy ho sahirana ny tsy salama sy ny reny bevohoka», hoy izy.
Ankoatra ny fambolen-kazo, nisy koa ny lanonana ara-kolontsaina natao ny 21 hatramin’ny 29 janoary teo. Fan­ka­la­zan’ireo ankizilahy, efa natao fahasoavana fito taona lasa, nantsoina hoe «Sambatra». Nilahatra an-dalambe izy ireo, ny alin’ny 27 janoary, nitondra saina fotsy, midika hoe fahadiovana, nampiarahana tamin’ny fitsofana zavamaneno.

Fandaniana maro
Araka ny loharanom-baovao avy amin’ny sampandraharaham-paritra maromaro, tsy nety nitonona anarana, maro ny fandaniam-bolan’izy ireo tamin’ity fambolen-kazo tany Ilaka Atsinanana ity. Nambaran’izy ireo fa, «tsy nisy ny tetibola ma­no­kana ho an’ity fambolen-kazo ity, ka voatery namorona ny tsy misy, nividianana solika na­kany Ilaka Est. Teo koa ny na­naovana sora-baventy, ny sa­kafo sy ny trano fatoriana, ny fiantohana ny aina, sns. Vo­ka­ny, voatery nangataka tamin’ny tera-tany vahiny sy karana».
Taorian’ny fambolen-kazo tany Ilaka Est, ny 28 janoary, nirehitra ny ala tany Brickaville, ny ampitso, ny 29 janoary teo.

Sajo

Partager sur: