Anisan’ny toerana dibo-drano foana ao Maroantsetra rehefa misy ny androratsy mandalo ao Analanjirofo. Araka ny fandinihan’ny tompon’ andraikitra any an-toerana, ny fisian’ny vinany na “embouchure” betsaka manodidina ny toerana ny antony mahatonga izany. Tafiditra ao i Maroantsetra, Ratambe ary Mananara Avaratra. Tampina vokatry ny fasika avy any an-dranomasina ireo vinany any an-toerana. Tsy ampy ny fivoahan’ny rano any an-dranomasina rehefa misy ny rotsak’orana ka miteraka ny rano miandrona ao amin’ireo vinany.
Miisa roa ny vahaolana maharitra mba hialana amin’ ny dibo-drano lava any an-toerana. Voalohany, ny fanalana ny fasika any amin’ny vavavinany raha ny nambaran’ny tompon’ andraikitra. Sarotra ny fanatanterahana ny asa fa tsy maintsy atao raha tiana ny hialana amin’ny dibo-drano. Tsy mijanona sy mitoby amin’ny toeran-kafa intsony ny rano fa mivantana any an-dranomasina avy hatrany. Faharoa, esorina ireo nosy madinika manodidina na ao anatin’ny vinany. Anisan’izany, ny vinany mankany Maroantsetra. “Anisan’ny mibahana ny rano tsy andeha ho an’ny an-dranomasina ny fisian’izany” hoy hatrany izy. Marihina fa efa naroso tamin’ ny filoham-pirenena, ny ministeran’ny Atitany ary ny praiministra. Hiandrasana ny valinteny sy fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana, hoy hatrany ny fanazavana.
Tsiahivina fa anisan’ny nahazo takaitra mafy tamin’ny fandalovan’ny rivodoza Cheneso teto amin’ny Nosy i Vavavatenina, Analanjirofo, Fenoarivo Antsinanana, ary Mananara Avaratra.
Mino ( mpianatra asa)