Maty tsy tra-drano ny lehilahy iray, dimy naratra mafy teny Iavoloha, omaly. Voafaokan’ny fiara 4X4 izy ireo. Olona roa maty, efatra naratra tany Tsiroanomandidy noho ny fivadihan’ny fiara nentin’olo-mamo.
Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina tetsy Iavoloha, omaly, tamin’ny 2 atoandro. Fiara 4X4, marika Range Rover, iray avy any amin’ny Rond point Iavoloha, hihazo ny renivohitra no nihavian’ny loza. Nandeha mafy ary tsy nahita ilay fiara vaventy nivoaka avy ao amin’ny tobin-dasantsy teny an-toerana izy io. Niala izany ny mpamily ka nifatratra tamin’ny mpivarotra hani-masaka amoron-dalana iray. Mbola nandona andrin-jiron’ny Jirama ihany koa avy eo. Niisa enina ireo olona voafaoka tamin’izany. Vokany, maty tsy tra-drano vokatry ny dona mafy nahazo azy ny raim-pianakaviana iray (50 taona), izay monina any Ansirabe. Olona dimy hafa naratra mafy ary nentina nihazo ny hopitaly HJRA Ampefiloha. Nandray antso tamin’ny finday ny mpamilin’io fiara nihavian’ny loza io sady mbola nandeha mafy, raha ny fanazavan’ny nanatri-maso teny an-toerana. Efa notanana natao andrimaso eny anivon’ny biraon’ny polisy ny raim-pianakaviana (54 taona), izay mpanamory fiaramanidina namily ny fiara.
Olona roa hafa navadiky ny fiara
Fiara fitateram-bahoaka, marika Mercedes Benz, avy any Tsiroanomandidy hihazo ny tetezan’Imanga no niharan-doza tany amin’ny lalam-pirenena vaolohany Bis, afakomaly. Niseho teo amin’ny PK 58+900, teo amin’ny Bizo Amparihin’ny dobo, fokontany Ambohimarina, kaominina ambanivohitra Tsinjoarivo Imanga, distrikan’i Tsiroanomandidy ny loza. Hamonjy fiara simba noho ny olana ara-teknika iray izy io. Raha ny fanazavana voaray, nandeha mafy ny fiara ary mbola mamo ny mpamily. Nivilavila ny fiara sy nangalatra ny ankavian-dalana ary nivadibadika. Vokany, olona roa tao anatin’ny fiara maty tsy tra-drano, anisan’izany ny mpamily sy raim-pianakviana iray tao anaty fiara. Olona efatra hafa naratra mafy ary nentina nihazo ny hopitaly CHRR Tsiroanomandidy. Fandehanana mafy sy fahamamoana teo am-pitondrana fiara ny anton’ny loza, raha ny tatitra voaray. Tonga nijery ny zava-misy sy nanao fanadihadiana ny zandary miasa ao amin’ny zana-tobim-paritra Tsinjoarivo Imanga, taorian’ny antso. Entanina hatrany ny mpamily fa tsy miaraka ny zava-pisotro misy alikaola sy ny familiana fiara.
Mino




