Norobain’ny tontakely ny fatana mandeha amin’ny herinaratra, fitoerana firavaka sarobidy ary zavamaneno tao amin’ny tranon’ny mpianatra iray, teny Andohan’i Mandroseza. Tsy hitan’ny tompony izany raha tsy ny andron’ny alarobia 23 oktobra. Nandritra ny fikorontanan’ny raharaham-pirenena, namonjy ny ray aman-dreniny tany Toamasina ny tompon-trano noho ny fahatapatapahan’ny fianarana teny amin’ny Anjerimanontolo. Andro vitsy monja niverenany tao amin’io trano fonenany io, lasibatry ny olon-dratsy izy. “Lasan’ireo mpangalatra avokoa ny entana heverin’izy ireo ho sarobidy tao an-trano”, hoy ny sakaizan’ilay tompon-trano. Tsy nisy nahare ny fisian’ny vaky trano ny mponina manodidina. Nigadona tao an-trano ny marain’ny alarobia, hatairana ny an’ilay vehivavy tompon’ny entana lasibatra. “Kapa efa ratsy nanaovan’ilay mpangalatra hany sisa navelany tao an-trano”, hoy ny fanazavana. Manjaka ny hala-boty sy ny vaky trano ka mila mailo ny tsirairay. Ny andrimasom-pokonolona izay efa nifarana andro vitsy lasa ka izao manararaotra manao ny ataony izao sahady ny mpanao ratsy. Tokony haverina, araka izany, ny fiambenana amin’ny alina.
Tsiferana R.




