Natelin’ny ranomasina : Mpanjono roa lahy niara-maty

Namoy ny ainy ny roa lahy tamin’ireo mpanjono miisa dimy niara-nanarato tao Toa­­masina, ny alarobia 22 oktobra lasa teo. Niala tao Toa­masina, ny asabotsy teo, nandeha lakana misy maotera ireo mpanjono ireo ka nitodi-doha hiakatra an-tanety, io andron’ny alarobia io. Hitan’ny mpanarato handeha hiasa vao maraina nitsingevana ambony rano, milomano hamonjy haingana ireo mpanarato hafa izy telo lahy. Avotra soa aman-tsara ireo olona telo ireo. Namoy ny ainy ny roa lahy namany izay mpirahalahy iray tampo, araka ny angom-baovao tao an-toerana. Nahery loatra ny onjan-dranomasina rehefa nandalo teo amin’ny Tinta izay fisarahana mialoha ny hidirana ny faritry ny seranan-tsambo atao hoe Vava­lapasy ireo mpanjono. Tsy nahatohitra ny onja ny moteran’ny lakana ka vaky. Samy nanavotra ny ainy izy dimy lahy. Nilomano namonjy ny tendron’ny seranan-tsambo ny iray ka navotan’ireo mpiasa. Ireo roa lahy kosa, novonjen’ny mpanarato. No­karohina ireo roa lahy naman’izy telo ireo ka hita ny vatana mangatsiakan’izy ireo, afakomaly tamin’ny 12 ora atoandro. Nirongatra ny tranga famoizana ain’olona ao Toamasina, tao anatin’ny herinandro vitsy izay. Maherin’ny enina ireo lasibatry ny rano ka samy namoy ny ainy avokoa.

Sajo 

Partager sur: