Mampanao fiofanana isaky ny firenena momba ny fanatsarana ny asa Ny COI (Commission de l’Océan Indien). Ao anatin’izany ny fizahana akaiky ny sehatra tsirairay hahazoana toromarika eo amin’ ny fiaraha-miasa. Manohana izany ny Agence française de développement (AFD), ny Organisation internationale du travail (OIT) sy ny Cap Business Océan Indien.
Misy vondrona manam-pahaizana hetsehin’ny COI avy amin’ny Expertise France mizaha manokana ny fizahantany, tontolo an-dranomasina, asa vaventy, ary fambolena. Fanampin’ireo ny misahana ny fahasalamana eo anivon’ny COI. Ny Cap Business Océan Indien kosa manamora ny fidirana amin’ny teknolojia avolenta.
Am-polony maro ny olona andrasana, mpitantana, mpandraharaha avy amin’ny sehatra tsy miankina. Ny fandraisan’anjaran’izy ireo no hamaritana paikady, fampitahana tombontsoa sy mifameno an’ireo tany mpikambana. Fitaovana iray lehibe amin’ny fanarenana ny toekarena sy sosialy izany aorian’ny Covid.
Naneho firaisankina amin’ny Malagasy ny COI noho ny fahamaroan’ny tsy an’asa. Ny fiantraikan’izany amin’ny mponina sy ny fotodrafitrasa, manambara fa tandindonin-doza hatrany ireo Nosy manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro.
Ndrina