Vokatry ny andro ratsy nisesy nandritra ny roa herinandro teo, izay niteraka fahatapahan’ny fianarana teto an-dRenivohitra, maromaro ireo sekoly nanapa-kevitra ny hanenjika ny fahabangana ka hamerina an-tsekoly ny mpianatra ny alarobia hariva sy ny asabotsy amin’ity herinandro ity.
Omaly, nampahafantatra ny ray aman-dreny sy ny mpianatra ireo sekoly ireo ny hanitarana ny fianarana ho an’ny rahampitso hariva sy asabotsy maraina hahafahana manenjika ny lesona tsy vita.
Tanjona ny hahavitan’ny fandaharam-pianarana araka ny fotoana efa novinavinaina hatrany am-boalohany hahafahana mifantoka amin’ny fiatrehana ny fanadinana.
Voakasik’ity fanapahan-kevitra ity avokoa ireo kilasy rehetra ho an’ny sekoly sasany. Ny hafa kosa dia ny kilasy hiatrika fanadinam-panjakana ihany no miverina amin’ireo fotoana nomena ireo.
Efa ho herinandro no nahatapahan’ny fianarana ho an’ny ankizy madinika, teto an-dRenivohitra. Hita izany fahabangana izany ary tsapa amin’ny fitadidian’ny ankizy izay lasa somary varimbariana indray rehefa misy fahatapahana maharitraritra toy izany ny fianarana raha ny fanazavan’ny mpampianatra. Ny sekoly sasany kosa, mitohy toy ny mahazatra ny fampianarana.
Tatiana A