Holafitry ny vadintany : sahirana amin’ny fanatanterahana didy ny vadintany

“Sarotra ho an’ny holafitry ny vadintany sy ny mpanao lavanty raha iny taona 2022 iny satria sarotra ny fanatanterahana ny didim-pitsarana”, hoy ny filohan’ny holafitry ny vadintany sy ny mpanao lavanty, ny Me Rakotonirina Alain.

Nohamafisiny fa olana ara-drafitra no mila jerena satria raha ny za­vatra tsikaritra, lasa mihaino ny feon’ny mpanao facebook na hetsika hafa ataon’ny olona izay matetika manakana ny fanatanterahan’ny vadintany ny didim-pitsarana ny fanjakana. “Ny asan’ny fitsarana mihitsy no voasembantsembana ka tokony hojeren’ny fanjakana akaiky izany”, raha ny fanazavan’ny filohan’ny holafitra hatrany. Manoloana iza­ny, nanao antso avo amin’ny fanjakana ny biraon’ny holafitra mba hijery akaiky ny fanatanterahana didim-pitsarana. Firenena lavitry ny fandrosoana ny firenena tsy manaiky fanatanterahana didim-pitsarana, raha ny fanazavany. “Miezaka ho mendrika ny fanatanterahana didy ny holafitra”, hoy izy. Teny filamatry ny holafitra hatramin’izay ny hoe : “Vadintany sy mpanao lavanty miray hina, miaro ny vahoaka sy ny tombontsoan’ny holafitra”. Noho izany, mangataka izy ireo mba hojerena akaiky ny fiarovana ny mpiasam-panjakana amin’ny fanatanterahana ny asany. Nam­ba­ran’ny teo anivon’ny biraon’ny holafitra fa mahatsiaro tena ho sahirana izy ireo amin’ny fa­natanterahana ny asam-panjakana. Tokony hapetraka hatrany ny fifampitokisana eo
amin’ny fanjakana sy ny holafitra. Nisy fanomezana telefaonina “flotte” ho an’ny holafitra mba hahafahan’izy ireo manatanteraka an-tsakany sy an-davany, hahatomombana hatrany, ny andraikitr’ireo mpikambana tsirairay eo anivon’ny holafitra. Singanina manokana ny fiatrehana ny fanatanterahana didim-pitsarana amin’ireo faritra misy vadintany manerana ny Nosy.

Jean Claude

Partager sur: