An-jatony ireo traboina etsy amin’ny fokontany Ankorondrano Andrefana taorian’ny haintrano, omaly. Niainga tao amin’ny tokantrano iray ny afo, araka ny fanadihadiana.
Olona roa may ka voatery nentina teny anivon’ny mpitsabo taorian’ny haintrano teny Ankorondrano Andrefana, boriborintany fahatelo, manamorona ny lalamby, ny marain’ny alahady 26 oktobra teo, tamin’ny 9 ora maraina. Levon’ny afo tao anatin’ny ora roa mahery ny tokantrano am-polony tao amin’io fokontany io. “Niainga tao amin’ny tokantrano iray ny afo. Tandrevaka nataon’ireo mpivady tao amin’io trano io no heverinay ho niteraka ny loza”, hoy ny fanazavan-dRazafinirina Fanjaniaina, anisan’ny tompon-trano lasibatra. “Nahandro tsaramaso izy ireo saingy navelan’ilay rangahy irery tao an-trano ny afo”, hoy hatrany ny fanazavana. Tetsy ankilany, loharanom-baovao hafa nanamafy fa fifampikasohan’ny herinaratra tao amin’ ny efitrano ambony rihana iray no ahina ho nitarika ny firehetana. “Trano hazo avokoa ny ankamaroan’ireo trano ety aminay. Niitatra minitra vitsy monja ny afo”, hoy ny fijoroana vavolombelona nataon-dRamatoa Claudine. “Maherin’ny 28 tafo eo ho eo ireo trano kilan’ny afo ary misy rihana ny ankamaroan’ireo”, hoy izy. Niantso ny mpamonjy voina izy ireo ka nigadona teny an-toerana ireto farany. “Efa ho 10 minitra nisian’ny firehetana vao naharay antso ny mpamonjy voina ka nigadona teny an-toerana 8 minitra taorian’io”, hoy ny fanazavan’ny lehiben’ny sampana mpamonjy voina Antananarivo Renivohitra, ny kaomandà Ralaivanoro Olivier. Nifanampy tamin’ny fanondrahana rano ny afo izahay. Naka rano teo amin’ny lakandrano mihitsy aza ny fokonolona nentina nifehezana izany satria taraiky ireo mpamono afo”, hoy hatrany ny fanazavan’ny lasibatra. Tsena, orinasa majinika, tranon’olon-tsotra samy kilan’ny afo avokoa. Ny fitaovam-pianaran’ireo ankizy ihany koa izay nivadika lavenona.
Fitoeran’entana
Nitrangana firehetana koa tao Ankorondrano, tsy lavitra ny Tour Zital, ny alin’ny sabotsy 25 hifoha ny alahady 26 oktobra teo. Tsy fantatra mazava ny fototry ny afo, saingy nanomboka niparitaka ny firehetana tamin’ny 10 ora sy 40 minitra alina. Nifehy ny afo ny mpamonjy voina saingy levona avokoa ny ankamaroan’ireo entana. Mahatratra an-tapitrisany ny faty antoka nihatra tamin’ireo orinasa lasibatra. Fitoeran’entana avokoa ireo lasibatra. Ankoatr’ireo, nisehoana haintrano hafa koa, teny Andohatapenaka, omaly. Nifanampy tamin’ny fifehezana ny afo ny fokonolona teny an-toerana. Nisy tamin’ireo mpanararaotra naka entan’olona hafa. Nandamina ny fandriampahelamana teny amin’ireo toerana telo samy hafa nitrangan’ny fahamazaina ireo ny mpitandro filaminana. Marihina, nisehoana fahamaizana tanety koa teny Analamanga Parc sy Ankatso, ny sabotsy 25 oktobra lasa teo.
Tsiferana R.




