Fanafihan-jiolahy : Finday valo sy ordinatera voaroba

Jiolahy fito lahy niditra an-keriny tao amin’ny tokantrano iray, tao amin’ny fokontany Mangarano II, parcelle 11/47, kaominina Toamasina, ny alin’ny sabotsy 25 oktobra teo. Nitondra fitaovam-piadiana toy ny basy, nosimbain’ireo olon-dratsy miisa fito lahy ny fanalahidin’ny vavahady, nanao mora ny nahatafidiran’izy ireo tao an-trano. Nanara-maso tany ivelan’ny trano ny namany. Nanambana avy hatrany ny tompon-trano tamin’ny basy nentiny ireo jiolahy. Nitaky vola izy ireo. Nanapoaka basy ny iray ka nifatratra tamin’ny “carreaux” tao anatin’ny trano ny bala. Nitaraina tamin’ireo mpanao ratsy ho tsy manam-bola ny lasibatra. Tsy nanaiky ireo jiolahy ireo ka nangorona ny finday rehetra tao anatin’ny tokantrano. Nalain’izy ireo koa ny solosaina iray. Tezitra ireo jiolahy ka nofelahin’izy ireo tsirairay ny olona iray trano. Nitsoaka nandositra avokoa ireo mpangalatra taorian’io. Velon-taraina ny mponina ao an-toerana manoloana ny tranga tsy fandriampahalemana. Mitaky fandraisana andraikitra hentitra avy eo amin’ny mpitandro filaminana izy ireo.

Tsiferana R.

Partager sur: