Mahalala vahoaka

 

Ny mpitondra no mitondra dia ny vahoaka. Ny vahoaka no hoe tompon’ny fahefana, tompon’ny teny farany. Izy koa no antom-pisian’ny mpitondra, fa ho an’ny vahoaka izay ataony. Misy fiantraikany amin’ny fiainana andavanandro mandavantaona. Ho amin’ny fiainana tsaratsara kokoa hatrany… Lanja miakatra! Mahalala izay mahazo ny vahoaka ve ny mpitondra? Indrindra izay manahirana azy, ny hetahetany, izay azony atao sy mety ho vitany… Mila fifankahazoana izany, fifampitokisana, fifanomezan-tanana… Izay mety amin’ny vahoaka sa ny mpitondra no atao? Adihevitra izay. Izay mampiombona no ampitomboana fa tsy izay mampisaraka.
Na izany aza, nisy ny fanamby sy fampanantenana nandritra ny fampielezan-kevitra. Tsy inona fa fifanarahana sosialy tamin’ny alalan’ny fifidianana. Tsy tsangan’olona no ampindramana fahefana hanatanteraka asa, fa tsangan-kevitra sy tsangam-pandaharanasa nandresy lahatra ka nanomezana vato. Mila mazava izay, ifankahazoan-dresaka, ifampatokisana… Raha tsy izany, miseholany ho azy eny ny fitarainana sy fanomezan-tsiny na ho ela na ho haingana. Be no efa hita sy nodiavina. Mora hetsehina ny vahoaka marefo ny amin’izany? Eny, na amin’ny fiatrehana ny fiainana andavanandro ihany aza. Efa miova ny vahoaka? Na mora miova… Tsy mety atao tohatra fiakarana hakana na hitanana fahefam-panjakana fotsiny, ohatra.
Tsy ny fahasahiranany no ampangotsohana azy lava amin’izany. Izay fahasahiranana izay aza no mety hanahirana ny mpitondra raha atao ambanin-javatra sy ambin-javatra, rehefa mby amin’izay tsy azo leferina na tsy zaka intsony. Tena mahalala ny vahoaka sy izay mahazo azy ve ny mpitondra? Izay raha tiana ny hisian’ny filaminana, fifampitokisana, fifampitantanana…

R. Nd.

Partager sur: