Lelavola enina hetsy Ar norobain’ny olon-dratsy tao amin’ny fokontany Andranomadio Parcelle 11/43, kaominina Toamasina, ny alin’ny sabotsy hifoha ny alahady 26 oktobra lasa teo. Niditra an-keriny tao amin’ny tranombarotra iray, ao an-toerana, ireo jiolahy. Niditra tao amin’ny trano fonenan’ny tompon-tsena izy ireo. Mody nanapoaka tsipoapoaka ho solom-basy nentina nampitahorana ny manodidina. Tsy nisy sahy nivoaka ireo mponina. Nanararaotra nanao ny asa ratsiny ireo tsy valahara. Nanaovan’izy ireo ramatahora ny raim-pianakaviana sy ny vadiny. Nitaky lelavola 4 tapitrisa Ar ireo mpandroba. Nitaraina ny tompon-trano lasibatra satria tsy manana velively io vola notakin’ny jiolahy io izy ireo. Nilaza ilay raim-pianakaviana fa enina hetsy Ar no hany misy amin’izy ireo. Niezaka nampiaka-peo tamin’ny tompon-trano ireo jiolahy, araka ny loharanom-baovao, saingy tsy nanan-tsafidy ka nandray ny vola. Nodarohan’ireto farany ireo mpivady tao an-trano. Naratra vokatr’io ilay raim-pianakaviana. Ankoatra izay, nisehoana fanafihan-jiolahy koa tao amin’ny fokontany Andranomadio, ny alin’ny alahady 26 oktobra teo. Nokapohan’ilay rangahy voatafika ny basy teny an-tanan’ilay olon-dratsy. Nandositra ity lehilahy ity taorian’izay. Namarinina ilay fitaovam-piadiana noho ny maraina kinanjo basy plastika.
Sajo/Tsiferana R.




