Tantara iray lehibe eo amin’ny baolina kitra malagasy, anio, ny manasa-dalana hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ireo mpilalao tsy matihanina «Chan 2022». Hiady ny tapakila hiatrehana ny famaranana ny Barea sy i Senegal.
Voalohany eo amin’ny tantaran’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra ho an’ireo mpilalao tsy matihanina «Chan 2022», ny fihaonan’ny Barea de Madagascar sy ny Lion de Teranga avy any Senegal. Hiady ny tapakila hiatrehana ny famaranana izy ireo, anio manomboka amin’ny 10 ora alina. Fihaonana hotanterahina ao amin’ny kianja Nelson Mandela ao Baraki, renivohitr’i Algérie.
Raha tsiahivina, teo amin’ ny fifanintsanana ho an’ny Can hatrany ny roa tonta no nidona. Hafa mihitsy kosa ny zava-misy amin’ity satria adin’ireo mpilalao tsy misy kalaza. Vonona tanteraka ny Barea de Madagascar. Ambony ny toe-tsain-dry zalahy, hiatrika ity fihaonana manan-daza ity. Salama tsara avokoa ireo mpilalao ary mangataka ny fanohanana sy fitondrana am-bavaka amin’ny Malagasy, mandritra ny 90 mn.
Maka ny Barea ireo Afrikanina maro
Tsy ny Malagasy irery no maka ny Barea de Madagascar amin’ity lalao hatao anio talata ity fa ny ankamaroan’ireo afrikanina ihany koa. Anisan’izany ry zareo Ivoarianina sy ny Ganeanina, eny fa na ry zareo Alzerianina mpampiantrano aza manohana hatrany ny Barea. Efa namoaka ny fanohanany ny Barea ihany koa i Artur Silva, filohan’ny Cosafa, ivondronan’ireo firenena aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika. Betsaka ny mihevitra fa hoentin’ny Barea de Madagascar mody io amboaran’ny “Chan 2022” io amin’ity.
Raha hiverenana ny dian’ny ekipa roa tonta, mandra-pahatongany amin’izao dingana izao samy voalohany tao amin’ny vondrona nisy azy, nandritra ny fifanintsanana. Barea ho an’ny “C” ary i Senegal ho an’ny “B”.
Na izany aza, fandresena telo tamin’ireo lalao telo nataony ny an’ny Barea ka nahazoany isa 9 raha 6 kosa ny an’i Senegal izay resy indray mandeha. Ny Barea izany tsy mbola tojo faharesena, hatreto. Nahafaty baolina miisa 8 ary nidiram-baolina 2 ny Barea tamin’ireo lalao nataony. 5 kosa ny tafiditr’i Senegal ary tsy nidiram-baolina afa-tsy 1.
Hilalao any ivelany Rakoul
Fantatra, omaly, tao anaty tambajotran-tserasera, fa vita ny fanaovan-tsonia eo amin-dRakoul no Lomoinasy ilay klioba alzerianina Mouloudia Alger. Haharitra telo taona eo ny fifanarahana eo amin’ny roa tonta, izany hoe, hatramin’ny taona 2026. Tsiahivina fa tao amin’ny CFFA Andoharanofotsy Rakoul no nilalao teo aloha teo.
Tompondaka