Toamasina Renivohitra : Mpirakidraharaha notafihin’ny jiolahy

Tsy milamina i Toamasina! “Efa ny jiolahy no tompon’ny tanàna ary sahy mampihorohoro ny fiarahamonina rehetra ary mihetraketraka izay tsy izy”. Izay no azo hamehezana ny fitarainan’ny mponin’i Toa­masina, ankehitriny. Ny alin’ny alarobia hifoha ny alakamisy 23 oktobra teo, notafihin-jiolahy miisa efatra misaron-tava sy mirongo fiadiana toy ny basy sy antsy ny tokantranon’ ny lehiben’ny mpirakidraharaha eo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany, ao Tanambao V. Nandrahona tamin’ny basy ireo jiolahy. Nanambana antsy teo amin’ny fihirifany raha namira tamin’ny sabatra teo amin’ny lohany kosa ny hafa. Voaroba tamin’ izany ny finday raitra rehetra, ny solosaina, lelavola 7 tapitrisa Ariary, tsy nokitihin’ ireto jiolahy kosa ramatoa vadiny, fa vao mainka aza nirahin’izy ireo. ” Tondraho rano vadinao fa mbola velona izy ary hoento hopitaly haingana “, hoy ireto farany, araka ny angom-baovao.
Mateti-pitranga ny fikasan-dratsy atao amin’ity lehiben’ny mpirakidraharaha anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany eto Toamasina ity. Ny alin’ny talata hifoha ny alarobia 27 desambra 2023, efa nisy namaky ny biraony, ao amin’ny fitsarana, tsy nisy zavatra very na penina iray akory aza, tamin’izany. Fantatra, noho ny toejava-misy, fa olona mahafantatra azy tsara no heverina ho nahavanon-doza. Nano­mboka ny 26 septambra lasa teo hatramin’izao, mitohy ny asa ratsin’ny jiolahy amin’ny alalan’ny fanafihana mitam-piadiana.

Sajo

Partager sur: