Niakatra ho 22 indray ny amboara “Grand Chelem” an’i Novak Djokovic, mpilalao tenisy serba. Voahosotra ho tompondakan’ny “Open d’Australie” indray ny tenany, rehefa nandavo an’ilay mpilalao grika, Stefanos Tsitsipas tamin’ny seta 3 no ho 0 (6/3, 7/6, 7/6). Lalao famaranana izay notanterahina ny alahady lasa teo.
Niady tanteraka ny lalao, naharitra adim-pamantaranandro telo izany. Hita fa nanatombo tamin’ny traikefa ananany i Djokovic. Izy izany no mpilalao voalohany maneran-tany ary manaraka azy ilay mpilalao espaniola, Carlos Alcaraz. Eo amin’ny laharana fahatelo kosa ny misy an’i Stefanos Tsitsipas.
Marihina fa mitovy izany ny amboara “Grand Chelem” azon’i Djokovic sy Rafael Nadal, mpilalao espaniola laharana fahenina amin’ny ATP. Tsiahivina fa impolo izay i Djokovic nandrom-baka ny amboaran’ny “Open d’Australie”.
Fitia (Mpianatra asa)