Tsy ho diso anjara ny mpankafy baolina kitra malagasy tsy afaka manatrika mivantana ny lalao manasa-dalana’ny Chan, hifandonan’ny Barean’i Madagasikara sy ny ekipan’i Senegal. Hisy ny «écran géant» hapetraka eo amin’ny Parvis Analakely. Taorian’ny fangatahana nataon’ny mpankafy sy ny vahoaka malagasy, nanapa-kevitra ny hametraka ity «Fan zone» ity ny eo anivon’ny fitantanana ny kaominina Antananarivo Renivohitra, izay namaly ny hetahetan’ny maro.
Sambany eo amin’ny tantaran’ny baolina kitra malagasy izany fiatrehana manasa-dalana amin’ny Chan izany, ka rariny loatra raha asiana fiverenana ny toy ireny tamin’ny taona 2019 ireny. Araka izany, hifamotoana etsy amin’ny Parvis Analakely ny mpankafy, anio amin’ny 10 ora alina tsy diso. Hisy ny fanafanana ny sehatra hataon’ny mpanentana Barhone miaraka amin’ny Dj Loums, manomboka amin’ny 7 ora hariva.
Marihina fa hisy “Fan zone” ihany koa eny amin’ireo tanàna lehibe, isan’izany eny amin’ny Coliseum Antsonjombe, Taninkatsaka Itaosy, eny 67 ha. Ankoatra izay dia maro ireo mpankafy naniry ny hanokafana ny kianja Barea etsy Mahamasina. Antony, hahafahan’ny vahoaka manaraka mivantana izany lalao manasa-dalana izany, saingy ireo ihany aloha no misy. Hafa ihany tokoa mantsy izany hoe miara-mijery baolina amin’ny toerana iray izany, izay sady misy ny ambiansy no mampahery ny ekipam-pirenena, izay mahatsiaro ho tsy miady irery
amin’ny ady hatrehany.
Tsiahivina fa izao hetsika izao dia notontosain’ny tomponandraikitra ao amin’ny faritr’ Analamanga.
Mi.Raz