Mimenomenona ny iray tanàna fa hoe mitarazoka avokoa ny zava-drehetra, indrindra ny fandraisana fanapahan-kevitra. Misy ny manomboka mampiaka-peo, maneho ny fahasorenany. Miaka-pofona mihitsy amin’ny mbola tsy maha voavaha ny olana nitolomana. Asa, misy ireo miandry fahagagana haingana diso tafahoatra?
Tsy voatery ho voavaly anatin’ny iray volana kosa ilay olana goavam-be niaretana efa ho ampahefatry ny taonjato iray. Ny rafitra sy ny fototra itondrana ilay tetezamita aza tsy mbola misy akory. Miandry ilay fikaonandoham-pirenena vao hisy fehin-kevitra azo iaingana. Izany hoe fitohizan-draharaha anatin’ny fitohizan-dalàna no misy ka ilana fahamailoana sao hampijabaka sy hamatotra tsy satry.
Masina rahateo ny tanindrazana, tsy azo ivazivazina amin’ny fametrahana izay hijoro sy tena sahy hanova rafitra. Tsy kivarivary na kilalaon-jaza rahateo ny tiana hapetraka eto amin’ny firenena fa fototra mafy hoenti-manarina ny lesoka sy tarazon’ny fanjanahantany. Mila faharesen-dahatra lehibe sy fandavantena tsy voahozongozon’ny tombontsoa manokana sy ny fitiavan-tena. Tsy maintsy miketrika ny anjara fahasoavan’ny besinimaro.
Raha ny ezaka ataon’ny mpitondra tarihin’izy dimy mirahalahy filoham-panjakana, hatreto, dia manodoka. Mahavelom-panantenana amin’ny hoavin’ilay firenena raha tsy miova. Mahoraka ny fisian’ny mpanoha-randrana sasantsasany, saingy tsy hilaozan’izay fandoto ny fiainana. Olombelona rahateo tsy ilaozan’izay ratsy sy mpanao ankasomparana. Ireny anefa no arofanina, tsy alatsaka anatin’ny fandriky ny mpanipy hoditr’akondro.
Tsy moramora ny manao zavatra, hoy ny oha-pitenenana mahazatra. Matoky ireo nampindramina fanjakana ireo indray ny vahoaka. Hafa rahateo ny maromaro noho ny iray. Filoha dimy sady kolonely be izao ve hamitaka antsika Malagasy? Ny azo antoka handroso i Madagasikara raha mahay miray hina isika.
r.r




