Mijoro ny governemanta vaovao. Arahaba soa, arahaba tsara… Ny vao tsy manitra no ratsy? Na ahoana na ahoana, ny asa sy ny fomba fiasa no ifampitsarana. Mazava ny sori-dalana. Na ny politika ankapobeny… Eo ny fitadiavam-bahaolana amin’izay tena maharary ny vahoaka: jiro sy rano, vidim-piainana, fandriampahalemana… Eo koa ny hoe fanenjehana an’ireo fanetriben’ny firenena sy ny famerenana ireo harem-pirenena nahodinkodin’izy ireo. Tsy latsak’izany ny amin’ny fanorenana ifotony: rafi-pitondrana sy ny rafi-pitantanana mifanaraka amin’ny hetahetam-bahoaka. Hahatongavana amin’izany ny fikarakarana sy ny fandrindrana ny atrikasa marolafy hoenti-mandrafitra ny lalàmpanorenana sy ny lalàm-pifidianana ary ny fametrahana ny lamim-pifidianana. Ho vita sy hita ao anatin’ny roa taona ve izany? Fanamby mitaky asa haingana sy mivaingana.
Farafahelany, hita soritra ao anatin’ny roa volana ny vokatra hanatanterahan’ny politikam-panjakana. Araka izay tandrify ny departemanta tsirairay avy io. Ambonin’izany, takina manokana amin’ireo mpikamban’ny governemanta ny tatitra tsy an-kiato sy ara-potoana ny fivoaran’ny asa atao sy ny vokatra avy amin’izany. Tsy fahombiazana ny tsy fisiam-bokatra mazava sy mivaingana ao anatin’ny roa volana, mitondra amin’ny fanoloana na fanalana. Hanao ahoana? Governmanta… masaka be? Araka ny fijerin’ny sasany… Tsy hivadi-pitokisana? Na tsy hamerina ny fomba fanao teo aloha: handroba ny harem-pirenena, hanao herisetra, hanao kolikoly… Tsy namana amin’izany ny fanjakana foibe, tsy hiaro amin’izany koa fa handray fepetra hentitra tsy misy famindrampo. Izy avokoa izany? Ho hita eo… Manantena fiovana sy fanovana ny vahoaka, manahy tena koa ndrao tsy tanteraka izay notakina.
R. Nd.




