Olona enina naiditra am-ponja: Zaza varira nalaina an-keriny, tafaverina tamin’ny fianakaviany

Avotry ny polisim-pirenena, omaly, tany amin’ny kaominina Antranomaro, distrika Amboasary Atsimo, ny zaza varira iray nisy naka an-keriny. Olona enina voarohirohy tamin’izany, efa naiditra vonjimaika am-ponja.

Hita sy avotry ny polisim-pirenena soa aman-tsa­ra, tany amin’ny kaominina Antranomaro, distrika Amboasary Atsimo, faritra Anosy, omaly, ny zaza varira (12 taona) iray nisy naka an-keriny. Efa naverina tamin’ny ray aman-dreniny tany amin’ny tanànan’i Mitsangana, kaominina Ambovombe, izy io taorian’izay. Naharay antso avy amin’ny olon-tsotra ny polisy fa miafina ao amin’ny kaominina Antranomaro ireo olon-dratsy mpaka an-keriny. Nidina ifotony nanao ny fikarohana avy hatrany ireo polisy amin’ny DRSP Androy, sy ny avy amin’ny Organe mixte de conception (OMC) faritra Ambovombe, taorian’ny an­tso. Nanao fampitandremana, “alerte enlèvement”, tao amin’io distrika io izy ireo, vantany vao nigadona tany an-toerana. Nitsoaka avy hatrany ireo olon-dratsy vao naheno izany. Navelan’izy ireo teo amin’ny toerana iray ilay zaza nandritra izany. Nahita io zaza nisy naka an-keriny io ny mpitandro filaminana iray tao Andohabositse.

Olona enina nogadraina
Hatramin’izao, mahatratra enina ireo olona voarohirohy tamin’io tranga io, taorian’ny fanadihadiana nataon’ny polisy. Efa natolotra ny fampanoavana teo anivon’ny fitsarana ny raharaha taorian’ny famotorana. Naiditra vonjimaika am-ponja avokoa izy rehetra ireo mandra-piandry ny fotoam-pitsarana azy ireo. Mbola mitohy ny fikarohana ny tena tompon’antoka tamin’ ny fakana an-keriny.
Raha tsiahivina, nisy naka an-keriny tao an-tranony, tany amin’ny tanàna atao hoe Mitsangana, kaominina Am­bo­vombe, ny alin’ny alatsinainy 06 oktobra 2025 lasa teo, io zaza varira io. Nam­pandrenesina avy hatrany ny mpitandro filaminana tany an-toerana mahakasika ny tranga. Nanomboka teo ny fikarohana sy ny fanadihadiana nataon’izy ireo ka izao nahitam-bokany izao.

Mino

Partager sur: