Tsy fisian’ny lakana: Lehilahy iray maty an-drano tetsy Anosipatrana

Natelin’ny ranon’Ikopa tetsy Anosipatrana, afakomaly alina, ny lehilahy iray. Hita omaly maraina ny vatana mangatsiakany.

Nahitana lehilahy iray maty an-drano, tokony ho 33 taona, tetsy amin’ ny ranon’Ikopa Anosipatrana, omaly maraina tokony hotamin’ny 8 ora sy sasany. Ni­ampita sy nilomano izy no ni­lentika ka izao hita faty izao. « Niaraka niampita rano izahay roa lahy, afakomaly alina, tokony ho tamin’ny 8 ora tany ho any. Tsy nahita lakana niasa intsony ka voatery nilomano mba hahafahana mody ary izao niharan-doza izao izy”, hoy ny fanazavan’ny rahalahiny. Ni­entika izy noho ny haherin’ny rano ary tsy hita intsony raha toa ka tafita soa aman-tsara ity rahalahiny. Namonjy fodiana avy hatrany ity farany nampandre ny fianakaviana ary niantso ny Vondrona mpamonjy voina. Tonga teny an-toerana nisehoan’ny loza ny avy amin’ny Vondrona mpamonjy voina, taorian’ny antso.

Nokarohina hatry ny alina
Naharitra ora maro ny fikarohana ny razana tao anaty rano satria efa omaly maraina vao hita ny vatana mangatsiakany. Nanamboatra fiara izy sy ny mpiara-miasa aminy afakomaly atoandro. Hamonjy fodiana izy sy ny rahalahiny rehefa vita ny asa, nefa gaga izahay rehefa naheno fa maty an-drano izy, raha ny fanazavan’ny mpiara-miasa taminy. Efa eny anivon’ny fianakaviana ny razana.
«Toerana misy fady sy tsy tia vahiny ny rano eny an-toerana ka mety ho antony nahatonga ny loza», hoy hatrany ny olona nanatri-maso ny tranga. Anisan’ny toerana ahitana maty an-drano matetika eny an-toerana. Ilaina hatrany ny fitandremana sy tsy hilalaovan’ny olona rano noho ny tsy fahafantarana ny fady na ny tsy tokony hatao amin’izany.

Mino

Partager sur: