Sodiat Borosy Talatamaty: Nosavain’ny mpitandro filaminana

Nosavain’ny mpitandro filaminana ny Sodiat Borosy tetsy Talatamaty, ny sabotsy lasa teo. Nanatanteraka izany, ny mpitandro filaminana izay nisaron-tava sy nirongo fitaovam-piadiana, raha ny loharanom-baovao voaray avy eny an-toerana. Nanomboka tamin’ny 4 ora tolakandro hatramin’ny 6 ora hariva tany ho any ny fisavana. Efa niantso polisy ny tomponandraikitra tao amin’io orinasa io saingy niala fotsiny izy ireo rehefa avy nifampiresaka ny roa tonta.
“Noentin’ireo mpitandro filaminana ny fiara fito tao an-toerana”, hoy hatrany ny loharanom-baovao. Anisan’izany, ny Camionette Foton iray, Sprinter Mercedes iray, fiara Foton Mpx iray, Lupo iray sy ny maro hafa. Nalain’izy ireo tamin’ny voalohany ny fiara iray. Niverenan’izy ireo kosa ny fiara miisa enina taorian’izay. Ankoatra izay, mbola novakian’ireo manam-pahefana ireo avokoa ny varavarana rehetra tao amin’ny birao. Nosimbaina toy izany koa ny fitaovana rehetra, anisan’izany, ny “coffre” iray teny an-toerana. Saingy tsy nahitana vola fa antontan-taratasy no tao. Raha ny vaovao voaray hatrany, mbola nosavaina ihany koa ny orinasa ao anatin’ny vondrona Sodiat etsy Ivato, omaly hariva. Mbola tsy nahazahoana tatitra ny mahakasika izany.

Mino

Partager sur: